Indonésie : Nifoha indray ny volkano Merapi
Isan’ireo volkano « actif » indrindra eran-tany ny volkano Merapi ao Indonésie. Taorian’ny fipoahany ny volana martsa teo dia nifoha indray izy ny talata 23 may teo. Nivoaka « lave » izay nandriaka nanaraka ny tendombohitra ilay volkano araky ny sary azon’ny Observation du volcan Merapi. Niaraka tamin’ny lavenonana izay niparitaka roa kilometatra manodidina ny volkano raha ny fanazavan’izy ireo.
Manoloana ny tranga kosa dia nofaritana fito kilometatra manodidina ny volkano ny faritra fiarovana. Nilaza kosa ny tompon’andraikitry ny BPPTKG (responsable étatique indonésien chargée de la surveillance du volcan), Agus Budi Santoso fa nihamafy ny tanjaky ny fipoahan’ny volkano Merapi ka mila arahana maso akaiky. Marihana fa 28 kilometatra miala ny renivohi-paritany Jogjakarta no misy io volkano io.
