ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo fankasitrahana ireo 16 mianadahy nivoaka tamin’ny fampiofanana indostrialy

Notoloran’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Ankadikely Ilafy, fankasitrahana sy tso-drano ireo tanora 16 mianadahy, nanaraka ny fiofanana tao amin’ny CFP Belanitra. Araka ny voalaza, mpiahy ity andiany Fivoarana ity ny ben’ny tanàna ao an-toerana ary fiaraha miasan’ny kaomina , ny CFP Belanitra ary ny orinasa CONFECTEX no namoaka ireto mpianatra zaitra indostrialy andiany Fivoarana ireto.

 « Niavaka izany fanombohana ny herinandro izay tamin’ity satria nisy ny fanolorana fankasitrahana sy tso-drano ireto mpiofana arak’asa miisa 16 nahavita ny fiofanany tao an-toerana. Tanjona hatrany ny fanohanana ireo tanora eto an-toerana amin’ny fampananan’asa ary anisan’ireo fanamby napetraky ny ben’ny Tanana rahateo izany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Vonona hanome ny tsara hatrany amin’ny fampiofanana sy ny fanohanana ny tanora ny ivon-toeram-panofanana eto Belanitra. Vonona hatrany ny ivon-toerana hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina amin’ny alalan’ireo fiaraha-miasa tahaka izao » hoy ny avy ao amin’ny CFP Belanitra.

Anisan’ny mitondra fampandrosoana eny ifotony ny fanohanana ny tanora amin’ny fampiofanana arak’asa tahaka izao. Ny tanora tokoa no ho avin’ny firenana ka mila tohanana amin’ny lafin’ny fampiofanana mba ahafahany mampivoatra ny sehatra misy azy.

Manitra R.

Laisser un commentaire