ActualitésTatitra

Afghanistan : Miantso an’i Etats-Unis sy ny banky iraisam-pirenena hamokatra ny volan’i Afghanistan ny ONU

Andro vitsivitsy taorian’ny nitakian’ny ONU 4,4 tapitrisa dollars hanampiana ny maha olona ao Afghanistan dia niantso an’i Etats-unis sy ny banky iraisam-pirenena indray ny sekretera jeneralin’ny ONU, Antonio Guterres hanokatra ny volan’ny Afghans (dégeler les fonds) izay nihitsoka hatramin’ny nitondran’ny Taliban.Tsy hitsahatra hitombo hoy izy ny fahoriana mianjady amin’io firenena io. Tokony horavaina, hoy i Antonio Guterres, ny fepetra sy ny lalàna manakana ny fampiasana io vola io hamonjena anin’olona sy toe-karena manoloana ny toe-javatra ao an-toerana.

Laisser un commentaire