ActualitésTatitra

Mali : Mitaky tetiandrom-pifidianana avy amin’i Mali ny ONU

Mila manome tetiandrom-pifidianana ny fitondrana ao Mali hoy lehiben’ny ONU. Nilaza izy fa hifandray farany izay haingana amin’ireo tompon’andraikitra Malien manoloana izany. Raha azo ekena hoy i Antonio Guterres ny tetiandro ho ataon’i Mali dia ho foanana tsikelikely ireo sazy napetrakin’ny Cedeao.Miara-miasa amin’ny Cedeao sy ny Union africaine kosa ny ONU hoy izy mba hamoronana fepetra ahafahan’ny fitondrana Malien manangana sy mametraka paik’ady hanafainganana ny tetezamita naharitra ela tao an-toerana. Mety hamerina ny fifandraisan’ity fanjakana ity amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa indrindra amin’ny Cedeao izany.

Laisser un commentaire