Mandeha ny fanadihadiana mikasika ilay fanafihana niseho tetsy Mamory Ivato
Nisesisesy ny fanafihana nataon’ireo dahalo nandritra iny faran’ny herinandro iny na teto andrenivohitra izany na tany amin’ny sisiny. Ho an’ny eto andrenivohitra manokana, ao anatin’ny fikarohana sy fanaovana fanadihadiana tanteraka momba ireo jiolahy nanafika teny Mamory Ivato ny brigadin’ny zandary eny Talamaty amin’izao fotoana. Ny alin’ny alahady 23 may teo raha tsiahivina no nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny Antoby, fokontany Mamory Ivato. Nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana amin’ny alina izy ireo ka tsy nisy ny aina anafoy sy ny zavatra simba. Jiolahy efa-dahy misaro-tava nihanika tambohon’olona no tazan’ireo zandary nanao fisafoana avy ao amin’ny ESCAPARA (sampana mpilatsaka an’elonaina) Ivato. Nanapoaka basy avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahatazana ireo zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Tafatsoaka ihany anefa ireto jiolahy ireto ary niazo nianavaratra andrefana nankany Antsambilo fa tavela kosa ny basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny bala miisa 19. Tsy navela nandalo fotsiny ity raharaha ity fa manao ny asany ireo zandarimaria eny an-toerana amin’ny fikaroana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny fanaovana fanadihadiana mikasika ny mpamatsy sy ny toerana niavian’ireo fitaovam-piadiana ampiasain’ireo olon-dratsy ireo. Mbola ao anatin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana ireo zandary eny an-toerana amin’izao.
Ally Herisoananahary
