ActualitésTsidika

Fahatapatapahan’ny herinaratra amin’ny faritra maro eto Antananarivo

Miha-matetika ny fahatapatapahan’ny herinaratra (délestage) eto amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Noho ny tsy fahombiazan’ny herinaratra no antony ny fahatapatapahana hoy ny Jirama manazava. «Tapaka tamin’ny 08ora alina ny jiro ary tsy niverina raha tsy ny mairaina» hoy i Dimby, mponina iray eny Anosipatrana. Maizina ny tanana maro teto Antananarivo ny alin’ny alarobia 25 aogositra sy alalamisy 26 Aogositra.

«Teo am-panaovana ny asako aho no tapaka ny jiro tany amin’ny 11ora alina tany» hoy ny mponina iray eny Ambolokandrina. Efa herinandro maromaro izay no nihatombo ny «délestage», hoan’ny tanàna sasany dia maharitra ora sy andro maro mihintsy izany fahatapahan’ny jiro izany. Nahitana fidinana ihany koa ny herinaratra. Mitaraina ireo mponina amin’ny faritra maro satria manimba ny fitaovana ao an-tokantrano ny fiaka-midin’ny herinaratra. «Inona indray no ho lazain’ny Jirama amin’izao delestazy izao ?» hoy i Noro, mponina eny Antohomadinika. «Efa ho efatra andro izao no tapaka ny herinaratra aty aminay. Aiza ny vahaolana amin’izany ry Jirama» hoy ny fitarainan’i Benja, mponina ao Ambohimalaza.

Etsy andaniny, manazava ny teknisiana iray ny Jirama fa tsy fahatapahana tsotra ny delestazy fa olana ara-teknika eo amin’ny tambanjotra fizarana herinaratra no antony izany. Olana ara-teknika toy ny halatra tari-by elektrika, olana amin’ny «transformateur» hoy izy manazava. Antony nahatonga ny herinaratra tapaka ny alin’ny alarobia 25 Aogositra sy Alakamisy 26 aogositra, ny fiakaan’ny olona iray tamin’ny pylona iray teny Behintsy Ambohimangakely, may ny herinaratra moa ity farany ka maty vokatry izany. Tapaka noho izany ny herinaratra tany amin’ny 10ora alina. Manamafy ny Jirama fa tsy hisy delestazy amin’izao fotoana tsy fisian’ny rano izao.

Na dia eo aza izany fanazavan’ny Jirama izany, tokony hitady vahaolana maharitra hisorohana izany izy ireo fa lasa manakorontana ny fiainan’ny mponina ny fahatapahan’ny herinaratra matetika.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire