SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Manadio ny tànana hatrany ny ao an-toerana

Tsy mitsahatra mikatsaka izay hampandroso ny tanana hatrany ny ao Ankadikely Ilafy. Anisan’ireo tena mazoto amin’ny fanadiovana tànana izy. Raha tsiahivina dia efa nanatontosa ny asa fanadiovana ny tata-drano sy ny fanariam-pako tsy ara-dalàna izy ireo ny 3 sy 8 novambra ary 15 novambra teo. Mbola nitohy ny 24 novambra io asa fanadiovana io ary mbola hitohy izany hoy ireo tompon’andraikitra ary « miara mientana ao anaty fahombiazana hatrany » no teny filamatra vohizina amin’izany hoy izy ireo.

« Tena mazoto mihitsy aho mandray anjara amin’ny hetsika toy izao fa raha milatsaka eo io orana io dia samy ho sahirana amin’ny rano maloto hiakatra eto » hoy i Jean, mponina ao an-toerana.  « Rehefa tsy anisan’ny mandoto dia efa manadio anie » hoy kosa i Maharohy, mpandinika ny fiaraha-monina ary nanamafy izy fa « ireo tena mandoto nefa tsy mandray anjara amin’ny asa fanadiovana no tena mimenomeno rehefa miparitaka izany » ka manantena ny fiara mientan’ny tsirairay mba ho lavitry ny loto sy ny aretina ny tenany.

Anisan’ny tena manetsina ny tatatra ny fako indrindra amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Samy tompon’andraikitra ny tsirairay ary samy manana ny anjara asa tandrify azy manoloana izany na ny fisorohana na ny fanadiovana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire