ActualitésTsidika

Kaominina Ambohimanambola : Fitsinjovana ny mponina ho afa-pahasahiranana amin’ny rano

Misedra tsy fahampian-drano avokoa ny ankahamaroan’ireo kaominina eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana. Nitady vahaolana maharitra manoloana izany ny kaominina Ambohimanambola ka nanokatra ny serivisy misahana ny « Rano fahadiovana fidiovana » ao amin’ny kaominina varavarana laharana voalohany, misokatra ho an’ny daholobe.

« Entina hiarovana ny zon’ny mpanjifa amin’ny fisitrahana rano madio » izany hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. Nanamafy izy ireo fa ho hatsaraina ihany koa ny servisy ka efa misy adresy mailaka sy laharana finday ahazoana az ireo. « Anisan’ny tena mety ny fanasiana ny vata manga andatsahanay ny fitarainana sy ny soso-kevitray fa enga anie mba tena raisina ilay izy » hoy kosa i Liza, mponina ao an-toerana.

Mangataka fanitarana io tolotra io kosa ireo mponina ao Ambohimanambola mba ho tonga any amin’ny tànana misy azy ireo. Miantso ireo tompon’andraikitra izy ireo manoloana izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire