Etats-Unis : 51 taona taorian’ny nahafatesany vao fantatra ny namono an’i Rita Curran
Raha hiverenana ny tantara dia hita faty tao anaty efitra iray tao Burlington, Vermont efa nihoson-dra sy niboridana ny vata-mangatsiakan’i Rita Curran, 24 taona. Ny 20 jolay 1971 no hita ny razany ary raha ny fantatra dia andeha atory izy no nisy nanafika tampoka.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa natao herisetra ara-nofo izy saingy tsy tonga tany amin’ny fanolanana izany, voadaroka kosa izy ary maty nokendaina. Lehilahy « tueur en série » nantsoina hoe Ted Bundy no voasarongitra tamin’io raharaha io, notanana am-ponja izy manoloana izany ary nohelohina ho faty tany amin’ny taona 1986.
Nisy lehilahy nantsoina hoe William DeRoos nipetraka niaraka tamin’ny vadiny tao amin’ny ambonin’ny rihana nisy an’i Rita Curran. Nilaza izy ireo fa tsy nahare na inona na inona tamin’ny fotoana namonoana an’ity farany. Fantatra vao haingana fa io lehilahy io no namono an’i Rita Curran. Nahitana ny ADN-ny tamin’ny akanjo nanaovan’i Rita Curran tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
