ActualitésTatitra

Nations-Unies : Nitombo ny tahan’ny mpitsoa-ponenana eran-tany

Naneho ny fiakaran’ny fifindra-monina ny tambatserasera Français tao anatin’ny tatitra mivoaka indroa isan-taona. Nitombo 84 tapitrisa izany raha ny fanazavan’izy ireo nanomboka ny volana janoary teo hatramin’ny volana jona raha 82, 4 tapitrisa izany nandritra ny enim-bolana farany tamin’ny taona 2020.Ireo mpitsoa-ponenena, mpangataka sesin-tany na mitady fialokafofana manoloana ny toe-draharaha misy ao amin’ny fireneny na eo amin’ny herisetra na eo amin’ny valan’aretina sy ny fiafan’ny toetr’andro no tena nampiakatra io isa io hoy ny masoivohon’ny firenena mikambana ho an’ny mpitsoa-ponenana.Voarakitra ao amin’io tatitra io fa Syrien ny 6,6 tapitrisan’ireo olona mpitsoa-ponenana ireo, Palestinien ny 5,7 tapitrisa ary Afghan ny 2,7 tapitrisa. Efa mahatratra 3, 9 tapitrisa ihany koa ireo Vénézuélien raha ny fanazavana. Anisany nahitana taha lehibe ihany koa taty Afrique, indrindra tao amin’ny République démocratique du Congo, Éthiopie, Birmanie, Mozambique ary Sud-Soudan.

Laisser un commentaire