ActualitésTatitra

Californie : Solosaina Apple natao lavanty

Tany amin’ny taona 1976 no namidy farany ity solosaina Apple-1 ity no namidy farany. 200 isa no namboarin’i Steve Wozniak sy Steve Jobs tamin’izany izay namidy 666,66 dolara monja. Marihina io solosaina Apple-1 io no solosaina Apple voalohany raha ny anarany, vita amin’ny hazo izy ary namboarina tanana avokoa.Natao lavanty tao amin’ny tranom-barotra John Moran ao Los Angeles kosa ny iray tamin’ireo solosaina ireo ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa tany tamin’ny taona 1977 io solosaina io no novidian’ny tompony izany namarotra azy indray raha ny fanazavana ary mbola mandeha tsara izy mandrak’ankehitriny. Toy ny garana tokoa ve ka antitra vao mamy ?

Laisser un commentaire