Egypte : Hamokatra vaksiny Spoutnik V
Nanaiky ny hamokatra vaksiny Spoutnik V ny orinasa mpamokatra fanafody iray ao Egypte, Minapharm, ny Alakamisy 22 aprily lasa teo. Hahatratra hatramin’ny 40 tapitrisa ny isan’ny vaksiny Rosianina Spoutnik V hovokarin’izy ireo mandritra ny taona. Ny Fond Souverain Russe na RDIF no hanohana ara-bola azy ireo mandritra izany famokarana izany. Amin’ny olana jolay no hanomboka ny fanamparihahana izany raha ny tatitra nataon’izy ireo hatrany. Mitady ny loharano samihafa hamokarana io vaksininy io i Russie amin’izao amin’ny alalan’ny orinasa any ivelan’ny fireneny. Isan’izany i Chine, izay tamin’ny faran’ny Martsa teo, nilaza ny RDIF fa hamokatra 60 tapitrisa amin’ity vaksiny ity ny orinasa mpamokatra fanafody Shenzhen Yuanxing Gene-tech izay any Chine.
