France : Rindrambaiko isan’ny be mpampiasa indrindra ao an-toerana ny Weward
Orinasa niforona tamin’ny taona 2019 ny Weward, ary mpamorona ilay rindrambaiko antsoina hoe « Weward » ihany koa. Izy io dia afaka mamadika ny dian-tongotra vitan’ny olona iray isan’andro ho vola. Mahatratra 5 tapitrisa ireo olona efa mampiasa azy ao France. Hanentana ny rehetra hazoto handeha tongotra, hampihenana ny fampiasana fiara sy ho fanatsarana ny salama ary hiarovana ny tontolo iainana no tanjona tamin’ny famoronana izany.
Lehilahy antsoina hoe Yves Benchimol no namolavola io tetik’asa io. Ankoatra ny ao France dia efa maro ihany koa ireo mponina amin’ny firenena hafa mampiasa ny Weward. Raha ny voalazan’i Yves Benchimol dia ef mivelatra amin’ny firenena 8 izy ireo ary isany lehibe ao anatin’izany i Etats-Unis. Efa eo am-pamolavolana « facteurs motivationnels » hanatsarana ny rindrambaiko izy ireo, raha ny fanamafisany.
