ActualitésTatitra

Algérie : Hiverina hiasa ny zotram-pitaterana an’habakabaka Air Algérie

Manomboka ny voalohan’ny volana jona ho avy izao, hiverina hanohy ny asany fitaterana ataony tsikelikely ny zotra an’habakabaka Air Algérie. Ny alatsinainy 24 mai lasa teo no nanaovana ity fanambarana fiverenana miasa ity rehefa avy nihidy nandritra ny 15 volana teo ho eo noho ny fisian’ny valan’aretina covid-19. Zotra an’habakabaka 3 isak’herinandro mankany France no efa azo antoka hatreto fa ho ataon’ity Air Algérie ity. Firenena 4 maneran-tany no efa hivezivezen’ity zotra an’habakabaka ity manomboka amin’io voalohan’ny volana jona io ka ao antin’izany i Espagne, Istanbul ary Tunisie. Ankoatra izay, namoaka lalàna ny fitondram-panjakana algériens ny amin’ny fametrahana zotra iray hampody ireo vahoaka avy aoa miny taraiky tany ivelany noho ny fisian’ny fihibohana.

Laisser un commentaire