ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fihenam-bidy nandritra ny hetsika « Hall de la rentrée »

Tontosa tao Alasora nanomboka ny 28 hatramin’ny 30 jolay ny hetsika ho an’ny fidiran’ny mpianatra « Hall de la réntrée ». Orinasa maro no nandray anjara tamin’ny varotra fampirantiana mikasika ny fidiran’ny mpianatra.

« Orinasa maro no nanao varotra fampiratiana mahakasika ny fidiran’ny mpianatra. Nisy tolotra maro sy fihenam-bidy goavana natolotr’ireo mpikarakara tao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara raha vidiana dieny izao mihitsy ireo fitaovam-pianarana. Mora kokoa izy amin’izao raha mitaha amin’ny efa akaiky fidirana » hoy i Tsiory, renim-pianakaviana monina ao Alasora.

Tsy vitsy tokoa ireo olona tonga namaly ny antso niantsena sahady ho an’ny fidiran’ny mpianatra. Tao ihany koa ny trano heva maro izay manohana mihitsy amin’ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire