La Réunion : Nankafizin’ireo mpitsidika ny tsena ben’ny fambolena ny « riz soufflé péi »
Nanomboka ny zoma teo ny tsena be ny fambolena tao Bras-Panon, La Réunion ary tsy hifarana raha tsy ny 21 may izao. Isany vokatra nampirantiana sy nandraman’ny mpitsidika tamin’izany ny « riz soufflé péi » izay fifangaroana vary sy chocolat.
Maro ireo liana tamin’ny « riz soufflé péi » nandritra ny hetsika. Raha ny fanazavan’ny mpitantana ny chocolaterie Les Cabosses Ailées, Richard Lauret dia chocolat noir vita 65% amin’ny kakao sy « riz peint soufflé» io vokatra io. Nanamafy ny tenany fa vokatra tao amin’ny nosy avokoa no namokarana io « riz soufflé péi » io. Vary novokarin’ny fikambanana mpamboly vary 974 tao Tampon no nampiasaina tamin’izany.
Natao indrindra hanasongadinana ny fahaiza-manao ao amin’ny nosy ny famoronana vokatra toy ny « riz soufflé péi » hoy ny filoha lefitry ny antenimieran’ny fambolena ao an-toerana, Julius Metanire. Nilaza ity farany fa ho amidy eny an-tsena afaka volana vitsivitsy io vokatra io.
