Pact Madagasikara: Manampy ny Foibe momba ny fananan-tany amin’ny fampahafantarana ny lalàna misy
Ankoatra ireo tetik’asa rehetra hiarahan’ny PACT Madagasikara amin’ny fiaraha-monina maro Malagasy dia nanana ny anjarany tamin’ny sehatry ny fananan-tany ihany koa izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fanapariahana ny lalàna momba ny fananantany no nimasoan’izy ireo nanomboka ny volana febroary teo. Tafiditra tao anatin’ny tetikasan’ny USAID ao anatin’ny fandharan’asa Hay Tao izany asa niandraiketan’izy ireo izany.
Niompanana tamin’izany ny fampahafantarana ny lalàna manandrify ny fananan-tany izay natao tao amin’ny faritra Sofia sy Diana. Niaraka tamin’izany ihany koa ny ireo dingana rehetra hahafahana misitraka tany iray izany hoe hahafahana mahazo fahalalahana amin’ny fampiasana ny tany sy ny fiotazana ny vokatra avy aminy. Anisan’ny nampahafantaran’izy ireo ihany koa ny laharana maitso 512 ho an’ireo izay mila fanampiana sy manana olana mahakasika ny fananan-tany.
Maro ireo tombontsoa nentin’ity fikambanana ity ho an’ireo faritra izay hiasany. Marihina fa firenena maro manerana izao tontolo izao no hiasan’ny PACT izay mitondra tombontsoa indrindra ho an’ireo olona izay tena sahirana.
Miora Raharisolo
