ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nifarimbona tamin’ny fanamboaran-dalana ny fokonolona sy ny kaominina

Taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy, ny rivo-doza Cheneso, izay nitondra fahavoazana maro manerana ny nosy, anisan’ny nahitana fahasimban-dalana ihany koa ireo fokontany maro tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy niandry ela, fa tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nirotsaka an-tsehatra nanomboka ny fanamboarana ny avy ao amin’ny kaominina,niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana.

« Niaraha-nahita tokoa ireny rotsak’orana be nentin’ny rivo-doza Cheneso ireny. Maro ny takaitra navelany ary voakasik’izany ny kaominina, maro ireo lalana simba. Tsy afaka ny hitazana fotsiny ny kaominina fa tsy maintsy mandray andraikitra avy hatrany mba hampilamina ny vahoaka » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Ny lalana no fitaovana voalohany mitondra ny fampandrosoana. Tena zava-dehibe ny fanamboaran-dalana ohatran’izao satria hatramin’ny mpianatra madinika ka hatramin’ny mpiasa lehibe dia mivezivezy aminy avokoa ka raha vao io no ratsy na simba dia tsy misy fandrosoana » hoy i Tantely, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Tao amin’ny fokontany Betafo, Andranovao ary Antanetibe Ikianja moa no nanombohana izany asa fanamboaran-dalana izany, izay niaraha-nisalahy tamin’ireo fokonolona. Mbola hitohy amin’ny fokontany hafa izany fanamboarana izany, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire