ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Niampy 3 ireo kamiao hanala fako ao amin’ny kaominina

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo mpandraharaha ao an-toerana, dia nisy ny fanampiana isa an’ireo fitaovana fandraofana fako ao an-toerana. Niampy telo indray ireo kamiao lehibe mpitondra fako, izay hiasa sy handraoka ireo fako mivangongo, efa nampitaraina ny maro hatramin’izay.

« Mankasitraka sy misaotra ireo mpandraharaha izay miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fifanomezan-tanana fa zava-dehibe loatra izany amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy.

« Anisan’ny tena taratry ny fandraisana andraikitra tokoa ny fitadiavana vahaolana tahaka izao, ny famaliana ny tarainan’ny vahoaka manoloana ny fivangoan’ny fako saika hita manerana ireo fokontany eto amin’ny kaominina » hoy i Jean Marie, mponina Ankadikely Ilafy.

Ny fanalana faingana ireo fako miparitaka ao an-toerana moa no tena tanjon’ny kaominina amin’izao fiaraha-miasa izao. Efa nanomboka tamin’ny asa fandraofana ireo fako moa ireto kamiao ireto, tamin’ny sabotsy teo ihany.

Manitra R.

Laisser un commentaire