ActualitésTatitra

France : Zazalahy 12 taona no nanolana tovovavy 15 taona tao Essonne

Zazalahy iray 12 taona monja, monina ao amin’ny « pension », no nitarika tovovavy iray manana olana ara-tsaina tao amin’ny efi-tranony ary nanolana azy. Tao Étampes, ao Essonne ny alin’ny 12 sy ny marain’ny 13 janoary teo no niseho ny tranga.

Taorian’ny fanolanana dia notambazain’io zazalahy io 15 Euros ilay tovovavy ho takalon’ny fahanginany. Manodidina ny 1 ora maraina teo nefa dia tsikaritry ny tompon’andraikitry ny toeram-ponenana ny zava-nisy ka niantso ny manam-pahefana izy. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany ilay tovovavy ary novaina ny toeram-ponenana.

Ilay zazalahy kosa dia nijanona tao amin’ny toerana nonenany ihany. Manoloana ny taonany dia tsy afaka mandray fepetra ankoatra ny ara-panabeazana ny mpitsara raha ny fanazavana. Marihina mantsy fa nanomboka ny 30 septambra 2021 teo dia nisy ny lalàna vaovao napetraka fa tsy azo saziana ny zaza latsaky ny 13 taona noho izy tsy mbola mahatakatra ny vokatry ny nataony.

Mipetraka ny fanontaniana : tokony nampiharina tamin’ilay zazlahy ve ny lalàna ?

Laisser un commentaire