Palestine : Nodarohan’i Israel tamin’ny baolina mandoro indray ny tananan’i Gaza
Taorian’ny fitsaharan’ny ady teo amin’ny roa tonta tamin’ny volana May teo dia izao indray ny fanafihana voalohany nataon’i Israël an’i Khan Younès, Gaza, tanàna iray ao Hamas. Omaly alarobia 16 jona no nisehoan’izany fanafihana izany indray. Nifarana ny 21 may teo ny ady teo amin’i Israël sy i Palestine izay nahafaty olona latsakin’ny 300 ka naharatrana olona maro raha i Palestine no tena voa. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao tao Palestine dia nandefa baolina mandoro an’habakabaka indray i Israël tao Khan Younès izay misy mponina maherin’ny 2 tapitrisa. Nilaza ny Israël fa valin’ny tifitra baolina mandoro nataon’i Palestine ny talata lasa teo izao izay nahatonga fahamaizana tao Israël.
