Fampivoarana ny maha-olona: Inona no fika raha tsy hitako izay hatao kanefa aho te hivoatra?
Maro amin’ny olona te hivoatra no mametraka fanontaniana hoe “inona no hataoko fa te hivoatra aho kanefa tsy hitako izay hatao? Mamaly izany fanontaniana izany anefa ny tanjona tiana ho tratrarina eo amin’ny fiainana. Sarotra ihany koa anefa ny mikaroka izay valim-panontaniana izay raha tena misy fisalasalana ao anaty. Mamaly izany fanontaniana izany ny “cabinet” K4M izay hanatanteraka fampiofanana eny amin’ny Plaza Ampefiloha.
“Io fampiofanana io natao ho an’ireo olona rehetra manana faniriana kanefa ny fomba hanatrarana izany no sarotra. Mandritra ny fampiofanana manko dia homena torolalana ny tsirairay ary omena fanampiana hanazava ny sainy hoe tena izay tokoa ve ilay zavatra tiany hatao sao taitaitra fotsiny izy”, hoy i Ny Raitra, tompon’andraikitra ao amin’ny K4M.
“Amin’ny asa hatao, amin’ny maha mpandraharaha ahy dia misy fotoana misalasala dia tsy mahatratra ilay tanjona noho ny tsy fahitako hoe inona no tsara ho ataoko amin’izay. Manana hevitra maro be aho amin’ilay asa tonga saingy tsy mety tapak’evitra. Amiko aloha ilaina ity fampiofanana ity hanampy ahy sao hoe tsy tokony hataoko ity zavatra iray ity fa ity no tokony hataoko”, hoy kosa i Patrick, mpandraharaha amin’ny sehatry ny fanamboarana vokatra ilaina amin’ny andavan’andro.
Te hahazo ny valin’izay fanontaniana izay ianao dia ao amin’ny Plaza ny fotoana ny alatsinainy 14 novambra hahafahanao mampivoatra ny tenanao sy ny asanao. Tsy mifidy taona izy io fa afaka tonga daholo.
Miora Raharisolo
