Fahatapahan-jiro : Misy fahasimbana ny milina ao Mandroseza
Dépêche 10 novembre, 13h30, Misy fahasimbana ny milina mpihary herinaratra miisa roa ao amin’ny vondrom-pihariana herinaratra Symbion Power ao Mandroseza. Vokatr’izany dia hisy ny fahatapahan-jiro mifandimby noho ny tsy fahampian’ny tanjaky ny herinaratra mampandeha ny vata mpanova herinaratra (transformateur). Efa mampikolay ny mpampiasa herinaratra ny fahatapahan-jiro izay olana tsy mety voavaha na dia efa nasiam-panamboarana aza ny milina sasany. Tokony ho kojakojaina fatratra ny milina mba hialana amin’ny fahasimbana matetika toy izao.
