Corée du Nord : Nitifitra « missile balistique » indray i Pyongyang
Tsy mitsahatra manao andrana « missile balistique » i Corée du Nord na dia eo aza ireo fandrahonana maro miantefa aminy. Nanatontosa fitifirana indray izy ireo ny 9 novambra teo raha ny tatitrin’ny tafik’i Corée du Sud.
Fandefasana farany nataon’i Pyongyang taorian’ny fiandohan’ny andrana tamin’ny fiandohan’ity volana Novambra ity io omaly raha ny fanazavan’izy ireo. Notifirin’i Corée du Nord nakany amin’ny ranomasina atsinanana na ranomasin’i Japon izany raha ny fanamafisan’ny etamajoron’ny « interarmées » ao Séoul.
