Fanatanjahan-tena : Hiatrika ny lalao fiadiana ny tompondakan’ny Afrika andiany faha 25 i Madagasikara
Dépêche 10 novembre, 12h30, Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika amin’ny lalao handaball ny Akio Madagasikara sokajy vehivavy. Efa any Senegal, izay toerana hanaovana ny lalao, ireto ekipam-pirenena ireto amin’izao fotoana. Efa nanomboka omaly 09 novambra izany lalao izany ary tsy hifarana raha tsy ny 19 novambra ho avy izao. Ao amin’ny vondrona C no ahitana ireto ekipam-pirenena ireto ary hifandona amin’ny Cameroun izy ireo amin’ity anio ity.
