Notolorana fiara tsy mataho-dàlana miisa 08 ny fitsarana tampony
07 Desambra, 08h08. Notontosaina ny 6 desambra teo tetsy amin’ny Fitsarana Tampony, Anosy, ny lanonana ofisialy fanolorana fiara miisa valo ho an’ny andrim-panjakana. Fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, RAJOELINA Andry izany. Entin’ireo lehiben’ny fitsarana telo mandrafitra ny Fitsarana Tampony manatanteraka ny asa ho an’ny vahoaka manerana ny faritra eto Madagasikara ireo fanomezana ireo. Maro kosa nefa iro vahoaka nanakihina izany.
