Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 Febroary ny andiany faha-enina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeana sy Vondrona Afrikana.
18 Febroary, 09h30. Andiany faha-enina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeana sy Vondrona Afrikana ity tanterahina any Bruxelles ity. Filoham-pirenena sy Filohana Andrim-panjakana miisa 60 eo ho eo no manatrika izany, anisan’izany ny Filoha Andry Rajoelina. Taorian’ny lanonam-panokafana dia nisokatra ny adihevitra an-databatra boribory niresahana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Noresahina nandritra izany ihany koa ny sehatry ny angovo indrindra ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny sehatry ny fitaterana.
