Ho atao tsy ho ela ny filan-kevi-pirenena ho an’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona
02 Aogositra, 09h56. Hotanterahana ny 5 sy 6 Aogositra ho avy izao eto Antananarivo ny filan-kevi-pirenen’ireo Sendikan’ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy eto Madagasikara. Handrasana mandritra izany ireo mpikambana ao amin’ny birao isam-paritra sy ireo ao amin’ny antennes. Ho atao ny 23 hatramin’ny 27 aogositra kosa ny Kongresy iraisam-pirenena.
