Nitombo ny voasambotra amin’ny raharaha famonoana ny filoha
02 Jolay, 10h00. Niakatra 21 no voasambotra momba ny raharaha fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena. 12 miaramila sy zandary amperin’asa, 5 Jeneraly, 2 kapiteny, 5 manam-boninahitra lefitra, 4 miaramila sy zandary efa misotro ronono ary 5 sivily. 14 amin’izy ireo no mbola atao famotorana sy andrimaso.
