Miverina indray ny halatra volo
25 Novambra, 08h00. Tovovavy iray indray no niharan’ny fanapaham-bolo tetsy Analakely omaly. Lehilahy telo no nandrahona azy tamin’ny antsy teo imason’ny daholo be raha ny fanazavany ary nanapaka ny volono ilany sy nandratra ny tanany rehefa nanohitra izy. Nitazam-potsiny moa ireo manodidina hoy izy ka lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny poketrany sy ny vola teny aminy.
