Dépêches

Miverina indray ny halatra maso ao Menabe

25 Novambra, 08h30. Olona 03 indray no niharan’ny herisetra feno habibiana tao anatin’ny distrikan’i Belo/Tsiribihina tao anatin’ny herinandro. Maty notapahan-doha ny roa tamin’ireo ary maty nalàna maso ny iray izay avy ao Ankalalobe raha ny fanazavana. Vao afak’omaly alina ihany koa no nisy lehilahy iray hafa lasibatr’izany fanalàna maso izany rehefa avy namonjy raharaha tao Manamby distrikan’i Mahabo. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly moa ity lehilahy ity. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny kosa ny mponina ao amin’ny Faritra Menabe manoloana izany tsy fandriam-pahalemana izany.

Laisser un commentaire