Fanampiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Malagasy voakasik’izany
26 Aogositra, 08h:30. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 25 Aogositra tao Ambovombe ny ampahany amin’ny sakafo voaomana anaty fonosana. Natokana ho an’ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ao Atsimon’i Madagasikara indrindra fa ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany fanampiana ara-tsakafo izany noho ny fiaraha-miasan’ny BNGRC sy ny Masoivoho amerikanina.
