France : Lehilahy iray nahita taolam-paty tao an-tranony tao Sarthe
Lehilahy manodidina ny 40 taona eo no nampandrehy ny zandary tao Sarthe ny 23 aogositra teo rehefa nahita taolam-paty tao amin’ny toeram-ponenany. Razana kely telo no hita tamin’izany raha ny fanazavan’ny parquet du Mans. “Nahita taolan’olombelona tokoa ireo mpamonjy voina ary mbola zaza vao mitsaika no fahitan’izy ireo azy saingy tsy mbola voafaritra ny fotoana nipetrahany tao” hoy izy. Efa manadiady momba ity raharaha ity kosa ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.
