Mikarakara sidina am-podiana ireo olona avy atsy amin’ny nosy La Réunion ny masoivohon’i France
Azo lazaina ho efa ao anatin’ny ady farany amin’ny fiadiana ny valan’aretina coronavirus andiany faha-2 ny eto Madagasikara amin’izao fotoana raha tsy hisy ny fiovana amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Efa nanomboka nisokatra avokoa ireo zotra nasionaly maro eto Madagasikara ary efa mananontanona ihany koa ny fisokafan’ ny sidina mankany ivelan’ny nosy.
Ao anatin’izay indrindra, miara-miasa ny masoivoho frantsay sy ny BTC Travel amin’ny fikarakarana sidina an’habakabaka ampodiana ireo mponina avy ao La Réunion any aminy. Tsy maintsy handalo fitiliana avokoa ireo mpandeha amin’izany. Ny talata 29 jona ho avy izao no hotanterahina ity fampodiana ireo mponina ao La réunion ity. Ny Air Austral no hisahana ny fitanterana izay efa nahazo alalana avy amin’ny ACM sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny malagasy sy frantsay. Ny toy izao ihany no efa nampiditra sy nitondra ny valan’aretina teto an-toerana. Sao mbola tsy fotoanany izao ?
Ally Herisoananahary
