ActualitésTsidika

Fitokanana ny lalana eny amin’ny Rocade Andranobevava Masay – Amoronankona Bypass.

Ho tokanana ny 24 Jona ho avy izao ny lalana vaovao mampitohy an’i Marais-Masay sy Bypass. Nanomboka ny  volana Mai 2018 ny fanamboarana ny lalana ary novinavinaina ho vita ny taona 2020. Noho ny valan’aretina nitranga teto amin’ny firenena anefa dia tsy nitohy araka ny tokony ho izy ny asa ka voatery tsy maintsy niandry ny fiverenan’ny mpiasa ny fanohizana sy fanamboarana izany lalana izany. Mirefy 8,2 km ny lalana ary antenaina hisy akony be be kokoa amin’ny firindran’ny fifamoivozana eto andrenivohitra sy ny manodidina izany. Mbola misy anefa ny fitohizan’ny fanamboarana amin’izao fotoana izao eny amin’ny lalana Marais-Masay iny, izay ao anatin’io tetik’asa fanamboarana lalana io ihany.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire