Alasora : Hanangon-tsonia, hanohitra ny tsy rariny ataon’ireo fiara mpitatitra
Hisy ny hetsika ho fanangonan-tsonia ho fangatahana kaopetiva hafa eny amin’ny ATT. Sady fitokonana no hetsika ho fanaraina ny kaominina no fanentanana ny rehetra io ho atao ny sabotsy 12 martsa izao io.
« Hetsika am-pilaminana tanteraka sy am-pahendrena no ho atao. Manahirana mantsy ilay manangona isam-pokontany. Eny amin’ny fiantsonana Ambohijatovo mankany Alasora sy eny amin’ny Kaominina Alasora no hananterahana ny fanangonan-tsonia » hoy Ranaivoson Ando, mponina ao Alasora sady mpandamina ny hetsika. « Tena mety mihitsy ny hetsika tahaka izao hanairana ny tompon’andraikitra. Tsara hatrany ny maneho ny firaisan-kina mba tsy hijaliana amin’ny fiara intsony » hoy Christiane, renim-pianakaviana monina eny Alasora.
Ireo mponina mahatsapa ny tsy rariny ataon’ny fiara fitateram-bahoaka ao Alasora no antsoina handray anjara amin’ity hetsika ity. Miara-mirona main’ny fijerena fitaterana maharitra ny mponina.
