ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Manao ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ny zandary

Nisesisesy ny fahenoana tranga mahakasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tato ho ato. Ny herinandro lasa teo, nahatratrarana tera-tany nizeriana telo sy Malagasy miisa roa no voasambotry ny mpitandro filaminana teny Andohotapenaka sy teny amin’ny Digue Andranomena ary teny amin’ny tranon’ny mpianatra teny Ankatso.

Rongony mahery vaika toa ny cocaine, ny heroine ny Cristal na Méthamphétamine, SUK, Skinque izay milanja 200 grama no tratra tamin’izany, niaraka tamin’ireo fitaovana fivarotana sy fidorohana isan-karazany. « Ireo mpianatra eny amin’ny anjeri-maontolo no tena lasibatra amin’ny fanjifana ny zava-mahadomelina ohatran’izao. Misy fiantraikany lehibe ilay izy satria tsy mandry fahalemana izahay manodidina » hoy i Lanto mpianatra mipetraka amin’ny cite. « Manao izay azonay atao izahay mpitandro filamainana amin’ny fanenjehana ireo mpamatsy zava-mahadomelina tahaka izao. Matetika vaovao ampitain’ireo olona tsara sitra-po no ahafahana manao fidinana ifotony sy manenjika ireo olon-dratsy » hoy ny avy amin’ny zandrarimariam-pirenena eto Antananarivo an-drenivohitra.

Raha mahakasika ity tranga farany ity, efa mpamerin-keloka ny iray tamin’ireo tera-tany nizerianina voasambotra ireo. Miseho amin’ny endrika maro ny fanapariahana ny zava-mahadomelina amin’izao fotoana izao izay hanentanana hatrany ny olom-pirenena mba hiara-hiady ho amin’izany mba hisian’ny fandriam-pahalemana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire