ActualitésTsidika

Lavanila : Mila fanarenana ny any amin’ny faritra

Taorianan’ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony dia ny faritr’i Sava indray no notsidihan’i Andry Rajoelina, ny herinandro lasa teo. Tao amin’ny tanànan’i Sambava moa no notsidihan’i voloahany, ary mbola nitohy tamin’ireo distrika hafa mandrafitra ny Faritr’i Sava izany. Ankoatra ny fitokanana foto-drafitrasa vaovao dia anisany tena misongadina tamin’ny fitsidihan’im-pirenena any Sava, ny fijerevana manokana ny sehatry ny Lavanila izay tsy nitsahatra nitotongana hatramin’ny nisian’ny valan’aretina covid-19. Zava-dehibe ho an’ny faritr’i Sava ny Lavanila satria io vokatra io no tena mamelona mivantana na ankolaka ny ankamaroan’ny mponina any an-toerana.

Teo anatrehan’ny vahoaka an’arivony no nilaza i Andry Rajoelina fa tsy maintsy ho jerena manokana mihitsy ny seha-pihariana Lavanila mba hitsinjovana ireo mpamboly madinika, ary nampitandrina ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpandraharaha vaventy ny tenany mba hanararaotra ireo tantsaha. Miandrandra izany fampanantenan’im-pirenena izany ny mponin’i Sava, satria miankina tanteraka amin’io vokatra io ny fiharian’izy ireo. Noho izany indrindra dia tsy tokony ho kobaka am-bava fotsiny ny teny nataon’i Andry Rajoelina fa tena tokony hisy vokatra tsara mivaingana ny fanarenana ity seham-pihariana Lavanila ity. Efa ho roa taona latsaka mantsy izao no manao antso vonjy amin’ny fitondram-panjakana ireo mpamboly sy mpandraharaha Lavanila, ary tsy ny ao amin’ny faritr’i Sava ihany fa ny any Analanjirofo, Diana ary Sofia ihany koa.

Tsara marihana fa mialohan’ny fahatongavan’im-pirenena tany Sava, dia efa nialoha lalana azy ny minisitry ny varotra, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanjifana, Edgard Razafindravahy. Efa nisy ny fihaonana niarahan’ity minisitry ity sy ireo rehetra mpisehatra amin’ny seham-pihariana Lavanila any an-toerana, hitadiavana ny vahaolana mahomby sy maharitra amin’izany.

Ny volana aprily 2021 teo, dia voalaza fa mbola mitàna ny laharana voalohany ny Lavanila avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 70% raha ny tarehimarika farany navoakan’ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana. Tsara tsipihana fa eran-tany dia anisan’ireo « arôme » natioraly be mpanjifa indrindra ny lavanila, mbola alohan’ny chocolat. Tato anatin’ny taona vitsy anefa, misedra olana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny lavanila avy eto Madagasikara noho ny fisian’ny indostria vaventy any amin’ny firenen-dehibe manao hosoka azy. Ny zava-misy dia mifaninana mamorona na manamboatra « molécules » hanampiana ny arôme azo avy amin’ny lavanila avy eto amintsika ny indostria manodina sakafo maro any ivelany any. Rehefa hamidy eo amin’ny tsena amin’izay anefa ny vokatra dia lazaina fa « arôme 100% naturel de Madagascar ».

Mazava ho azy voafitaka amin’izany karazana hosoka izany avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa any amin’ny firenen-kafa satria tena mitovy tsy misy valaka amin’ilay vokatra tena natoraly ireo vokatra tovanana « molécule » ireo. Ireo indostria any ivelany manao an’io hosoka io no mahazo tombony fa fatiantoka kosa no aterak’izany trangan-javatra izany ho an’ireo mpandraharaha lavanila eto amintsika. Maro amin’ireo orinasa madinika any ivelany mampiasa na manodina an’io akora io mantsy no lasa manjifa an’ilay « arôme » efa notovanana « molécule » satria mora kokoa ny vidiny raha ampitahaina amin’ilay tena natoraly 100%.

Madagasikara no mpanondrana lavanila be indrindra eto amin’izao tontolo izao. Saika vokatra avy amin’ny mpamboly ao amin’ny faritr’i SAVA ahitana an’Andapa, Antalaha, Sambava ary Vohimarina no aondrana. Mila vonjy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny famokarana lavanila amin’izao zava-misy izao.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire