ActualitésTsidika

Fizahantany : Tafiditra ao anatin’ny 5 voalohany amin’ny toerana mahasarika mpizaha tany be indrindra i Sainte Marie.

Faha-4 manerantany ary voalohany aty Afrika i Sainte Marie tamin’ny fanisana ireo toerana mahaasarika mpizaha tany. Miisa 50 ireo toerana navoakan’ny Travel Lemming, izay mpitondra mpizaha tany, fa toerana mahasarika mpizahatany betsaka indrindra. Raha eto Afrika fotsiny ihany koa dia tafiditra ao anatin’ny firenena 10 manintona mpizaha tany betsaka indrindra i Madagasikara. Efa maro ireo mpizaha tany no efa misafidy sahady ny ho avy aty Madagasikara, indrindra moa fa i Sainte Marie.

« Toerana miavaka amin’ny hakantony sy ny kolontsaina hanana i Sainte Marie. Rehefa tonga aty an-toerana ireo mpizaha tany dia miaina ny kolontsaina aty ary hita mihitsy izy ireo fa liana sy te hahafantatra. Anisan’ny atoronay azy ireo rehefa tonga aty ny hakanton’ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, ny fasana misy ireo pirates tamin’izany, ny fiangonana katolika voalohany niorina teto Madagasikara izay vao navaozin’ny fitondram-panjakana malagasy vao haingana, ireo mpitaridia ihany koa dia efa mahalala ireo tantara isan-karazany », hoy ity tompon’andraikitry ny agence de voyage iray.

« Mahavelombolo ny maheno izany filaharana izany satria mety hampitombo ny mpizaha tany indray izany taorian’ny covid-19 iny. Hiarina tsikelikely ary hiroborobo ny sehatra rehefa mitombo ny isan’ny mpizahatany izay mampitombo ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Ny fizahantany izay miteraka asa maro eo amin’ny toerana iray », hoy kosa ity mpivarotra asa tanana iray ao Sainte Marie.

« Rariny aloha raha mahasarika olona any satria tena mahafinaritra ny tora-pasika. Ny rano ihany koa azo lazaina ho madio. Tena kanto ny toerana », hoy i Valérie.

Mahafinaritra ny maso ny toerana rehefa madio sy milamina. Mety tsy i Sainte Marie irery anefa no mety mahafinaritra fa ny fikojakojana no tsy nitovy. Sehatra iray ahafahan’ny Malagasy maro manararaotra ity fizahantany ity ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fikarakarana ny toerana maro eto amin’ny Nosy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire