ActualitésTatitra

Iran : Tafiakatra 6 ny isan’ireo olona nohelohina ho faty

Raha tsiahivina dia olona 5 no nohelohina ho faty tao Iran hatramin’ny volana septambra teo noho ny fihetsiketsehana momba ny raharaha nahafaty an’i Mahsa Amini. Niampy olona iray indray izany fanamelohana izany.

Olona iray no nohelohin’ny fitsarana revolisionera tao Téhéran ho faty rehefa voapanga namoaka antsy sy nikasa hamono ary niteraka fampihorohoroana sy tsy fandriampahalemana ho an’ny fiaraha-monina. Raha ny fanazavan’ny masoivoho « Autorité judiciaire Mizan Online » dia « mohareb » na fahavalon’Andriamanitra amin’ny fiteny « Persan » io olona faha-6 nohelohina ho faty tao an-toerana io.

Laisser un commentaire