Actualités

Afrique du Sud : eo am-piandrasana ny vaksiny fanefitry ny covid-19.

Nanomboka ny herinandro maromaro izay, tsy nitsaha-mitombo isanandro ny isan’ireo olona voan’ny valan’aretina covid-19. Tafiditra ho isan’ny firenena betsaka olona mitondra ny tsimok’aretina corona virus i Afrique du Sud amin’izao fotoana. Araka ny vaovao azo dia mahatratra 42550 no voamarina fa mitondra ity valan’aretina ity indray any an-toerana. Vokatr’izany, tsy maharaka intsony ireo mpanamboatra vata-paty sy ireo mpivarotra voninkazo. Ny alahady alina lasa teo, 2,6 tapitrisa ireo olona voamarina fa voan’io aretina io raha toa ka miisa 62649 ireo maty araka ny nambaran’ny AFP. I Afrika Atsimo izany izao no firenena afrikanina voalohany manana marary betsaka indrindra. Na izany na tsy izany nampanantena vaksiny hoan’ireo vahoaka ny mpitondra ka olona miisa 40 tapitrisa no hisitraka izany. Vinavinaina ho tonga amin’ny faran’ity volana janoary ity izany.

Laisser un commentaire