Politique

France : Vonona handray fepetra vaovao hisorohana ny fipariahan’ny Covid-19.

Heverina ny mety hisian’ny fihibohana fahatelo Indray , raha hita fa nandaitra ny tsy famerana ny ora fivoahana amin’ny alina. Ahian’ny fanjakana anefa ny tsy haneken’ny vahoaka frantsay izany intsony.
Tamin’ny volana martsa taona 2020 no niantomboka ny fihibohana tao frantsa. Nilaza ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, tamin’izany fotoana, fa “ao anaty ady izy ireo“. Efa nisy ihany koa ny fihibohana faharoa ny 28 oktobra 2020. Tsy eken’ny vahoaka frantsay intsony anefa ny mety hisian’ny fihibohana andiany fahatelo any Frantsa. Ny tsy fahampian’ny fepetra mandrara ny tsy fivoahana amin’ny alina no mety ho antony hisian’ny fihibohana andiany fahatelo indray. Raha ny fanadihadiana natao, maro amin’ny frantsay no tsy manaiky ny fihibohana intsony. Raha tsiahivina, 85% no efa nanaiky tamin’ny fihibohana voalohany, nidina ho 65% kosa izany tamin’ny fihibohana faharoa, ary 40% sisa ireo manaiky amin’izao.

Laisser un commentaire