Sénégal : Noraràn’ny fanjakana ny diabe nataon’ireo mpanohitra amin’ny fanemorana ny fifidianana
Nandrara ny hetsika sy ny diabe nataon’ireo antoko sy fiaraha-monim-pirenena, momba fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena , ireo manam-pahefana sénégalaise, omaly talata. Mitaky ny fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena sy fitohizan’ny fitondran’ny filoha, Macky Sall, izy ireo nandritra izany. Hetsika am-pitoniana, entina handinihana ny toe-draharaha any an-toerana no tanjona amin’ity hetsika ity mba hitandrovana ny filaminana sy ny fizotran’ny fifidianana any an-toerana. Manoloana izany anefa, nanda ary tsy nanaiky ny hanatontosana ity hetsika ity ireo manam-pahefana any an-toerana.
