ActualitésTatitra

Etats-Unis : Hiala any Afghanistan ny tafika

Nilaza i Washington ny sabotsy 3 jolay lasa teo fa hiala any Afghanistan hatramin’ny faran’ny volana Aogosotra izao ireo tafika Amerikanina rehetra any an-toerana. Efa niala tany ny zoma lasa teo ny OTAN sy ny tarika amerikanina ka nandao ny seranan’i Bagram izay hivondronan’ny tafik’Afghanistan, 50 km mianavatr’i Kaboul.Raha ny fifanarahana nanaovan-tsonia teo amin’i Etats-Unis sy i Afghanistan ary ny Taliban ny febroary 2020 lasa teo dia ny Amerikanina no handrakotra ny tafika an’habakabaka kanefa izao handao ny toerana izao indray. Hiaro an’i Afghansitan eo ambanin’ny fanafihan’ireo vondrona mpampihoroho ny Amerikanina ka mety halefaka ny tafika aty an-toerana noho izany raha lasa izy ireo hoy i Charles Jauffret izay manam-pahaizana any Afghanistan.Mitohy hatrany rahateo ny ady eo amin’ny Afghan sy ny Taliban ka miisa 300 izao ny Taliban maty tao anatin’ny 24 ora izay hoy ny Minisitry ny fiarovana ny sabotsy 3 jolay lasa teo. Tsy misy intsony rahateo ny fiarovana ny habakaban’i Afghanistan ka miha mahery ny ady eo amin’ny roa tonta.

Laisser un commentaire