Burkina Faso : Nidina an-dalambe ny mponina
« Tanin’ny olona tsy mivadika » no dikan’ny « Burkina Faso ». Olona efa amin’arivony no nilatsaka an-dalabe ny sabotsy 3 jolay lasa teo tany Burkina Faso tany amin’ny renivohitra Ouagadougou. Manohitra ny faharatsian’ny filaminana misy any an-teorana izy ireto ary manameloka tanteraka ny fanafihana ataon’ireo vondrona mpampihorohoro izay nahafaty olona maro. Iray volana lasa mantsy izay nisy ny fahafatesan’olona miisa 130 tany avaratra-atsinanan’ny firenena noho ny fanafihan’ny « jihadiste ». »Leo ny fanafihana sy ny tsy fandriam-pahalemana izahay, mbola misy filoha ve aty Burkina Faso ? » Hoy ny tabataban’ny mpilatsaka an-dalambe. Ilaina araka izany ny famerenana ny fandaminana anatiny mba hisian’ny filaminam-bahoaka hoy ny praiministra Christophe Dabiré.
