Irlande : Nitrangana fihetsiketsehana ara-politika
Nahitana korotana sy tabataba tao Belfast ny alin’ny alarobia 7 ka hatramin’ny alakamisy 8 aprily lasa teo. Nisy ny fiara nirehitra sy ny fandefasana “cocktails Molotov” nandritra izany. Ireo mpikambana ao anatin’ny vondrona politika ao Irlande ireo nanao fihetsiketsehana ireo. Nandritran’ny andro maromaro izay no nitrangan’izao korontana izao tany Irlande. Nohon’ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fanapahan-kevitra Britanika tamin’ny vondrona eropeanina no anton’izao fihetsiketsehana izao. Maro mantsy ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny Britanika amin’ireo mpikambana anatin’ny vondrona poliika ao Irlande, indrindra ho an’ireo espagnol monina any an-toerana; Anisan’izany ny fandoavan-ketra sy ny maro samihafa. Nilaza kosa anefa ny praiminisitra britanika Boris Johnson fa manameloka ny herisetra izay nitranga tao Irlande avaratra. Nilaza izy fa amin’ny alàlan’ny fifampiresahana fa tsy amin’ny herisetra na heloka bevava ny fomba hamahana ny tsy fitoviana. Vory vahoaka tao Lanarka Way any Belfast, izay toerana nandoroana fiara iray hoy ny polisy tao Irlande avaratra. « Tsy fihetsiketsehana io fa fanimbana olona ary fikasana hamono olona. Tsy maneho firaisan-kina na firaisan-kina ireo hetsika ireo. »hoy ihany koa ny praiminisitra tao irlande avaratra.
