SocialTatitra

Russie : Miha-ratsy ny fahasalaman’ilay mpanohitra, Alexeï Nalvany

Miha-ratsy hatrany ny fahasalaman’ilay mpanohitra, Alexeï Nalvany, marary sady mandà tsy hisakafo intsony (grève de faim) ny alarobia 07 aprily. Tsy tsapany intsony ny tanany ary niha-nahia ihany koa izy hatramin’ny 31 martsa nanaovany fanambarana nandraisany io fanapahan-kevitra io. 44 taona andriamatoa Nalvany amin’izao fotoana ary tsy ekeny velively ny nandefasana azy ao amin’ny fonjan’i Pokrov, 100 kilometatra atsinanan’i Moscou. Fonja malaza ho mafy indrindra ny fiainana ao anatiny. Voalazany fa tsy afaka mahazo fitsaboana avy amin’ny dokotera izy ao amin’io fonja io ary tsy avela matory ihany koa amin’ny alina. Nitaraina narary lamosina izy tamin’izany fotoana ka nitarika ny fahalemen’ny tongony izany. Tsy mbola manome fitsaboana an’andriamatoa Nalvany hatrany anefa ireo mpiandraikitra ao amin’ny fonja hoy ny mpisolo vava azy. Nilaza ho miahiahy manoloana ny faharatsian’ny fahasalamany ihany koa i Etazonia ny alarobia lasa teo.

Laisser un commentaire