France : Hisokatra ho an’ny besinimaro amin’ny tapaky ny jolay ny « Tour Eiffel »
Nandritra ny 7 volana izay no nanakatonana ny « Tour Eiffel » any Paris, izay tsy azon’ireo mpizaha tany tonga any an-toerana notsidihana. Raha nanomboka ny 30 oktobra no nikatonany noho ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19. Hisokatra kosa izany ny 16 jolay ho avy izao ary afaha mitsidika izany amin’izay ny olon-drehetra. Na dia eo aza ny fanenana ny vidim-pidirana amin’izany sy ny fanampiana nomena ireo mpiasa 350 mahery voatery tsy niasa, nahitana fatiantoka mavesatra ny fikatonana, hoy i Jean François Martins, isan’ireo mpanolo-tsaina ao Paris.
