ActualitésTatitra

Etats-Unis : Renim-pianakaviana iray no namono ny zanany telo mianadahy

Ny 24 janoary teo tao Duxbury, Massachusetts no niseho ity tranga ity. Nandeha niantsena sakafo ariva ho an’ny fianakaviany i Patrick Clancy saingy rehefa niverina avy tany an-tsena ny tenany dia ny vadiny efa naratra be teo an-tokontanin’ny toeram-ponenany no novantaniny. Raha ny fanazavana dia nitsambika avy teny amin’ny rihana ambony ny trano io renim-pianakaviana io.

Nandritra ny tsy naha teo an’i Patrick Clancy nefa dia nokendain’i Lindsay Clancy ny zanak’izy ireo telo mianadahy, dimy sy telo taona ary fito volana. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia tsy tomombana tanteraka ny sain’i Lindsay Clancy nandritra io tranga io noho ny « dépression post-partum » niaro tamin’ny fanafody miady amin’ny fitaintaina nohaniny.

Nivoaka velona tamin’ny ratra nahazo azy moa i Lindsay Clancy saingy tsy afaka mandeha intsony. Namela azy kosa ny vadiny raha mbola manameloka azy ny fitsarana izay ho atrehiny tsy ho ela.

Laisser un commentaire