ActualitésTsidika

Nahazo fotodrafitr’asa vaovao ny akanin’ny zandarimaria ao Arivonimamo

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny trano vaovao « Trano manga » tao amin’ny akany mpitaiza ireo zanaka zandary lavo amperin’asa ao Arivonimamo. Tonga namome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Filoha Tale jeneralin’ny orinasa Tozzi green, Andra Tozzi.

Fiaraha-miasa nisy teo amin’ny zandary tany an-toerana sy ny fikambanana Tozzi Green no nahafahana nanorina indray ity fotodrafitr’asa ity. Tanjona amin’izao fanorenana izao ny hamaliana ny filan’ny Akany sy hitondra fanampiana ho azy ireo manoloana ny fanabeazan ireo zaza kamboty. Ny taona 2013 no nanomboka nijoroan’ny akany, ny jeneraly Richard Ravalomanana ny filoha mpanorina, fony izy tao amin’ny sekreteram-panjakana mihadidy ny zandarimaria. Izy hatrany no angady nananana sy vy nahitana ny lalana nananganana ity trano vaovao ity.  Ny 05 desambra 2018 lasa teo no nisy fahamaizana ny akany raha tsihahivina. « Mankasitra ny mpitondra Fanjakana iray rain’ny kamboty izahay, misaotra ireo lehibe izay namaly ny fangatahanay ihany koa izahay » hoy i Mirana, kamboty tazaina ao amin’ny Akany.  « Mahatsiaro ho misy namana manampy amin’ny fitaizana izahay manoloana izay fanotronan’ny olom-panjakana isan’antokony izao. Ankasitrahana tanteraka ireo tompon’andraikitra rehetra » hoy i Faly, tompon’andraikitra ao amin’ny Akany.  « Manana zo mitovy amin’ny ankizy rehetra izy ireo na dia kamboty aza, zon’ny ankizy ny hitoetra anaty trano izay mamaly ny fenitra takian’ny fahasalamana. Anisan’ny mizara hafaliana ho azy ireo izay rehetra manampy azy, izany hoe mampiposaka indray ny masoandrom-piainany ny fahitana ireo mpiara-belona mihahy azy » hoy i Salohy, renim-pianakaviana. « Mankasitraka ireo rehetra izay naira-nisalahy tamin’ny fananganana izao fotodrafitr’asa izao izahay avy ao amin’ny fitondrana. Ho fanampiana ny akany dia manolotra vola diny tapitrisa ariary, amin’ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina » hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firenena no anjara andraikitr’ireo zandary ankoatra ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka. Anisan’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fihahiana manokana ireo madinika sy ireo sahirana, indrindra ireo kamboty. Marihina fa miainga amin’ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka, izay mipàka ifotony mihitsy, no hery lehibe ho an’ny firenena raha ny fivoarana sy fandrosoana no tanjona.  Azo antenaina ve ny hitohizan’ny fiaraha-miasa manoloana ireo akany maro sy ireo fotodrafitr’asa mitaraina ny hisian’ny fanatsarana sy fanorenana ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire